Sinaody 2021 2023

Mba ho ォ Eglizy miara-dia サ [Eglise synodale] :

fiombonana, fandraisana anjara ary asa fanirahana

 

Ambangovangon-kevitra

I. Antso hiara-dia

II. ォ Eglizy miara-dia サ araka ny maha-izy azy

III. Eo am-pihainoana ny Soratra Masina

I Jesoa, ny vahoaka, ny ap�st�ly

Fibebahana roa sosona: i Piera sy i K�rnely (Asa 10)

IV. Fampiharana ny Fiarahan-dia: torolalana ho an地y fakan-kevitra amin地y Vahoakan但ndriamanitra

Ny fanontaniana fototra

Fomba maro isehoan地y fiarahan-dia

Hevi-dehibe folo hohalalinina

Ho fandraisana anjara amin地y fakan-kevitra

 

TAHIRIN-KEVITRA FANOMANANA

1. Antsoina hanatanteraka Sinaody ny Eglizin但ndriamanitra. Hisokatra amin地y fomba manetriketrika ny 9-10 �kt�bra 2021 any R�ma ny ォ dia サ, mitondra ny lohateny hoe ォ Mba ho Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara ary asa fanirahana サ, ary ny 17 �kt�bra kosa dia any amin地y Eglizy any an-toerana avy (di�sezy). Dingana iray lehibe amin段zany ny fankalazana ny Fivoriambe faha-16 an地y Sinaodin地y Eveka amin地y volana �kt�bra 2023[1], izay harahin地y dingana handraisan地y Eglizy isan-toerana anjara indray (jer. EC, and. 19-21). Amin段ty fiantsoana ity, dia manasa ny Eglizy manontolo ny Papa Franso� mba hanontany tena mikasika ny lohahevitra iray manan-danja amin地y fiainany sy amin地y asa anirahana azy: ォ Ny l瀝an地y fiarahan-dia indrindra no lalana andrasan但ndriamanitra amin地y Eglizin地y taon誕rivo fahatelo サ[2]. Sady fanomezana no adidy io zotra io, ary tafiditra ao anatin地y soritr誕san地y fanavaozana ny Eglizy araka ny vaninandro ankehitriny, izay nanoloran地y Konsily Vatikana II hevitra: rehefa miara-dia, ary miara-mandinika ny l瀝ana efa nodiaviny ny Eglizy dia ho afaka handray lesona, avy amin地y traikefa efa niainana, hoe inona avy ireo dingana afaka manampy azy hiaina ny fiombonana sy hanatanteraka ny fampandraisana anjara ny rehetra ary hisokatra amin地y asa fanirahana. Ny fiarahantsika mizotra tokoa manko no manatanteraka sy maneho ny toetran地y Eglizy amin地y maha-vahoakan但ndriamanitra andalam-pivahiniana sy misi�nera azy.

2. Fanontaniana fototra iray no manentana sy mitarika antsika: ahoana no ahatanterahan段zany hoe ォ miara-dia サ izany, amin地y ambaratonga maro samihafa (manomboka amin地y Eglizy tsirairay eo an-toerana ka hatrany amin地y Eglizy maneran-tany), ka ahafahan地y Eglizy mitory ny Evanjely, araka ny iraka nankinina aminy; ary inona ny dingana andrasan地y Fanahy Masina amintsika hampiroboroboana ny maha-ォ Eglizy miara-dia サ antsika?

Ny fiezahana hamaly miaraka io fanontaniana io dia mitaky fihainoana ny Fanahy Masina, izay tahaka ny rivotra ォ mitsoka amin段zay tiany ary henonao ny feony, fa tsy fantatrao izay niaviany sy halehany サ (Jo 3,8), ka isokafana mandrakariva amin段reo zavatra tsy ampoizina, izay azo antoka fa homaniny mialoha ho antsika eny an-dalana eny. Dia toy izany no iaing瀟段lay fakana bahana ahafahana manangona ireo vokatra entin地y fibebahana ho amin地y fiarahan-dia, vokatra hihamasaka tsikelikely. Tsy inona akory izany fa ireo zava-kendrena manan-danja lehibe ho fanatsarana ny fiainan地y Eglizy sy ny fizotry ny asa fanirahana hitory ny Vaovao Mahafaly, izay andraisantsika rehetra anjara noho ny fahasoavan地y Batemy sy ny Fankaherezana. Ndeha hosoritana eto 灑y ireo tsy azo ial瀟a amin段reny zava-kinendry ireny, dia ireo mamaritra ny fiarahan-dia ho endrika isehoan地y Eglizy, ho fomba fiasany ary ho firafiny:

-       mitadidy ny fomba nitantanan地y Fanahy Masina ny dian地y Eglizy tao amin地y tantara sy ny fomba iantsoany antsika ankehitriny ho vavolombelon地y fitiavan但ndriamanitra;

-       miaina dingana andraisan地y rehetra anjara eo anivon地y Eglizy, tsy anavahana na iza na iza, dia dingana ahafahan地y tsirairay � indrindra ireo atao anjorombala noho ny antony maro samihafa � maneho hevitra sy misitraka ny zo hohenoina, mba hitondr瀟y ny anjara birikiny amin地y fanorenana ny Vahoakan但ndriamanitra;

-       mamantatra sy mankamamy ny harenan地y fahasamihafan地y fanomezana sy ny fanomezam-pahasoavana zarain地y Fanahy Masina amin-kalalahana ho fanasoavana ny ankohonam-piainana kristianina sy ho tombotsoan地y taranak弛lombelona manontolo;

-       miezaka manome andraikitra ny tsirairay amin地y fitoriana ny Evanjely sy amin地y firotsahana an-tsehatra hanorina tontolo tsaratsara kokoa sy azo onenana;

-       mandinika ny fomba iainana ao amin地y Eglizy ny maha-tompon誕ndraikitra sy ny fahefana ary ny rafitra itantanana izany, ka vakiana bantsilana sy ezahina hov瀟a ireo fitsaratsar瀟a be fahatany sy ireo fomba fanao tsy mety tsy mifahatra amin地y Evanjely;

-       mandray sy manao izay hahatonga ny ankohonam-piainana kristianina ho mpikatroka azo inoana sy mpiara-miombon誕ntoka azo itokisana amin地y l瀝an地y fifanakalozan-kevitra eo anivom-piaraha-monina, fanasitranana, fampihavanana, tsy fanilikilihana sy fampandraisana anjara, amin地y fanorenana indray ny dem�krasia, fampiroboroboana ny fihavanana eo anivon地y fiaraha-monina;

-       �mamelombelona indray ny fifandraisana amin地y samy mpikambana eo anivon地y ankohonam-piainana kristianina, torak段zany koa ny fifandraisan地y ankohonam-piainana amin段reo vondrona s�sialy, ohatra ny ankohonam-piainan地y mpino ao amin地y Fiangonana hafa sy ny fombam-pivavahana samihafa, ny fivondronan地y fiarahamonim-pirenena, ny firohotana isan-tsokajiny, sns.;

-       Manome lanja manokana sy mandray ny vokatry ny traikefa azo tamin段reo sinaody natao vao haingana, na io maneran-tany, na isam-paritra, na isam-pirenena na koa teo an-toerana.

3. Ity Tahirin-kevitra fiomanana ity dia mipetraka ho fitaovana ampiasaina amin地y dia iaraha-manatontosa, fa indrindra ho fitaovana hanamor瀟a ny dingana voalohany, dia ny fakan-kevitra sy fihainoana ny vahoakan但ndriamanitra any amin段reo Eglizy any an-toerana na di�sezy (�ktobra 2021 - aprily 2022), izay antenaina fa hanampy amin地y famoahana hevitra sy amin地y fanoritsoritana ny ezaka hatao ary hampisongadinana ny fahaiza-mamorona ananan段reo rehetra handray anjara amin地y zotra iombonana, ary hanamora ny fampivondronana ny vokatry ny fandraisan段zy ireo andraikitra.

Mba hahatratrarana izany, ity Tahirin-kevitra dia 1) manomboka amin地y fanoritsoritana ireo toetoetra manokana manamarika ny zava-misy ankehitriny ; 2) mampahafantatra fohifohy ireo hevitra fototra ara-te�l�jia mba hahazoana tsara ny hoe fiarahan-dia, ary hampiharana azy araka ny tokony ho izy ; 3) manolotra soso-kevitra ara-tSoratra Masina hanomezana aina ny fandinihana am-bavaka eny am-pizorana ; 4) manoritsoritra fijery sasantsasany mibanjina ny ho avy, izay hiaing瀟a handinihana sy hijerena indray ireo traikefam-piarahan-dia efa niainana ; 5) mampiseho torol瀝ana sasantsasany mba hahatsara petrapetraka an段ty asa famakiana indray ity ao anatin地y vavaka sy ny fifampizar瀟a.

Mba hampizotra tsara ny fandaminana ny asa, dia misy Vademecum (sori-d瀝ana) mirakitra ny fomba fiasa, ampiarahina amin段ty Tahirin-kevitra Fiomanana ity ary azo jerena ao amin地y tranon-kalam-pifandraisana natokana ho an段zany[3]. Hita ao amin段o tranon-kalam-pifandraisana io koa ireo loharanon-kevitra sasany ho fandalinana ny lohahevitra mikasika ny fiarahan-dia, hanatevin-daharana an段ty Tahirin-kevitra Fiomanana ity ; atsidikay manokana manaraka eto ny roa amin段reny, izay voatanisa matetika : ny Lahateny tamin地y Fahatsiarovana ny faha-50 taona nananganana ny Sinaodin地y Eveka, nataon地y Papa Franso� ny 17 �kt�bra 2015, sy ny Tahirin-kevitra Ny fiarahan-dia ao amin地y fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy, nomanin地y Commission Th駮logique Internationale (CTI) [Vaomiera Iraisam-pirenena momba ny Te�l�jia] ary navoaka tamin地y taona 2018.

I. Antso ォ hiara-dia サ

4. Ao anatin地y toe-java-misy ara-tantara voamariky ny fiovana goavana eo amin地y fiaraha-monina sy voamariky ny fiampit瀟a manan-danja eo amin地y fiainan地y Eglizy, izay tsy azo odian-tsy hita, no tanterahina ny dia iaraha-manatontosa. Ao anatin地y fahasarotan段reo toe-java-misy ireo, ao anatin地y fifandonana amam-pifanoherana ao aminy, no iantsoana antsika ォ handinika ireo famantarana manambara ny vaninandro sy hivaofy azy eo ambany fanilovan地y Evanjely サ (FAA, lah. 4). Ny sasany amin段reo singa amin地y zava-miseho maneran-tany, izay mifandray akaiky amin地y lohahevitry ny Sinaody ihany no atsidika ato, fa hohatevenina sy hofenoina any amin地y sehatry ny Eglizy any an-toerana kosa ny famaritana ny tena toe-javatra.

5. Ny loza mahazo ny eran-tany, tahaka ny valan誕retina Covid-19 ohatra, ォ dia niteraka fahatongavan-tsaina fa ankohonana miara-miondrana ao anaty lakana iray izao tontolo izao, ka ny voina mahavoa ny iray dia mahatratra ny rehetra : tsaroantsika tsara fa tsy misy afa-mamonjy tena samirery, fa tsy maintsy miaraka ihany サ (Fratelli Tutti - FT [Mpirahalahy avokoa], lah. 32). Miaraka amin段zay dia nampirongatra izay tsy izy ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny efa nisy iny valan誕retina iny : miha-mahazo laka ny fiheverana ny tsirairay ho isan地y sarambabem-bahoaka fotsiny ary voazarazara ny taranak弛lombelona ; ny toe-javatra mampivarahontsana iainan段reo mpitsoa-ponenana amin地y faritra rehetra amin段zao tontolo izao dia maneho fa avo be sy tena mafy ireo sakana mampisaraka ny fianakavian地y taranak弛lombelona izay tokana ihany. Velabelarin段reo Taratasy Ansiklika Laudato Si� (Hoderaina anie Ianao) sy Fratelli tutti (Mpirahalahy avokoa) ny halalin地y fizarazarana manenika sy mandrotika ny taranak弛lombelona, azontsika atao ny mifahatra amin段reny famakafakana ireny, mba hihainoantsika ny tarainan段reo mahantra mbamin地y tany, ary hamantarantsika ny masombolin地y fananten瀟a sy ny hoavy izay mbola ampitsimohan地y Fanahy Masina na amin段zao androntsika izao aza : ォ Tsy mandao na mamoy antsika ny Mpahary, tsy mihemotra velively amin地y fikasam-pitiavany Izy, ary tsy nanenina nahary antsika. Mbola manana ilay fahafahana sy fahaizana miara-miasa mba hanorenana ny tranobe iombonantsika ny taranak弛lombelona サ (LS, lah. 13).

6. Mampiombona ny fianakavian地y olombelona manontolo io toe-javamisy io, na dia miseho amin地y fomba samihafa arakaraka ny toerana aza, ary mitaky ny fahaizana sy ny fahavitan地y Eglizy miara-d瀝ana amin地y olona sy ny ankohonam-piainana, ahafahan段zy ireo manao jery todika amin段reo fisaonana sy fijaliana niainany, izay nampiharihary ireo filaminana manod�ka, sy namolavola fanantenana ary finoana ny hatsarampon棚lay Mpahary sy ny hatsar瀟地y zavaboaariny. Tsy azo afenina amintsika anefa fa ny Eglizy tenany mihitsy no tsy maintsy miatrika ny tsy fahampian地y finoana sy ny fahalovana na dia ao anatiny aza. Tsy azontsika hadinoina indrindra indrindra ny fijaliana niaretana zaza tsy ampy taona maro sy olona marefo noho ォ ny fanararaotana ara-nofo, fanararaotam-pahef瀟a na tsindry konsiansy nataon弛lom-piangonana sy olom-boatokana marobe サ[4]. ォ Amin地y maha-Vahoakan但ndriamanitra tokony hitondra ny fanaintainan地y rahalahintsika maratra ao amin地y nofony sy ny fanahiny antsika サ[5] no anairana tsy miato antsika: nandritra ny fotoana naharitra ela, dia tsy hain地y Eglizy ny nihaino tamin地y fomba ampy sy sahaza ny hiakiakan段reo niharam-boina ireo. Ratra lalina sarotra sitranina izany, ka tsy ho ampy na oviana na oviana ny fangatahantsika famel瀟a ny amin段zy ireny, ary ratra zary sakana, matetika tsy azo ihoarana, tsy ahafahana mandroso amin地y lalan地y fiarahan-dia. Ny Eglizy manontolo dia antsoina hiatrika ny vesatry ny kolontsaina vonton地y fitsabahan地y olom-piangonana be loatra amin地y raharaham-piaraha-monina (cl駻icalisme), izay nolovainy tamin地y tantarany, ary hiatrika ny vesatry ny kolontsaina vontona endrika fampiharana fahef瀟a mifandrirotra amina karazana endri-panararaotana maro (fahef瀘-pitondr瀟a, fihariana, ara-k�nsiansy, ara-nofo). Tsy azo eritreretina izany hoe ォ fiovana na fihavaozan地y Eglizy amin地y fanaony raha tsy misy fandraisana anjara mavitrika ataon段reo rantsa-mangaika rehetra amin地y vahoakan但ndriamanitra サ[6] : aoka isika hiara-mangataka amin地y Tompo ォ ny fahasoavan地y fibebahana sy ny fanosorana anaty mba hahafahantsika maneho ny fanenenantsika sy ny fahatapahan-kevitsika hitolona an-kasahiana manoloana an段reo heloka vokatry ny fanararaotana ireo サ[7].

7. Na eo aza ny fivadibadihantsika, dia manohy miasa ao amin地y tantara ny Fanahy Masina ary manohy maneho ny heriny mamelona. Fa ao amin段reo soritra nofaritan地y fijaliana isan-karazany niaretan地y fianakavian弛lombelona sy ny vahoakan但ndriamanitra indrindra, no iroboroboan地y fomba fiteny vaovao maneho finoana sy dingana vaovao; tsy hoe ahafahana mivaofy ny zava-mitranga araka ny fomba fijery te�l�jika fotsiny ihany, fa koa ahit瀟a ao amin地y fisedr瀟a ny antony hanorenana indray ny lalan地y fiainana kristianina sy ny lalana izoran地y Eglizy. Mahavelom-bolo ny mahita Eglizy maro nanao fihaonana sy dingam-pakan-kevitra tamin地y vahoakan但ndriamanitra, izay azo lazaina fa voarafitra tsara. Tany amin地y toerana nandaminana azy ireny araka ny fomba fanao sy fiasa ampiharana ny fiarahan-dia, dia velombelona indray ny fahatsap瀟a ny atao hoe Eglizy, ary ny fandraisana anjaran地y rehetra dia nanome ainga vao ho an地y fiainam-piangonana. Nahazo rariny sy fanamafisana koa ny fanirian段reo tanora handray andraikitra eo anivon地y Eglizy ary ny fangatahana mba hanomezan-danja bebe kokoa ny vehivavy sy hanolorana azy ireo sehatra handraisana anjara amin地y iraka ampanaovina ny Eglizy, izay natsidika tao amin地y Fihaonambe Sinaodalin地y taona 2018 sy 2019. Dia mizotra ao amin段o soritra io ihany koa ny nampijoroana vao tsy ela ny asa fandraharah瀟a sahanin地y lahika ataon地y katesista sy ny nanokafana amin地y vehivavy ny asa fandraharahan地y famakian-teny (lectorat) sy ny fanotronana amin地y litorjia (acolytat).

8. Tsy azontsika odian-tsy fantatra koa ny fahasamihafan地y toe-javatra iainan地y ankohonam-piainana kristianina any amin地y faritra maro manerana an段zao tontolo izao. Any amin地y firenena sasany dia saika ny ankamaroan地y mponina no mirafitra ho rantsam-batan地y Eglizy ka ataon地y fiaraha-monina ho tondro famantarana ara-kolontsaina ity farany; fa any amin地y firenena hafa kosa dia tena vitsy an段sa ny kat�lika; any amin地y firenena sasany aza dia miaritra fanenjehana amin地y endriny maro, eny hatramin地y herisetra aza, ny kat�lika miaraka amina mpino kristianina hafa, ary matetika no isehoan地y fanaovana martiry. Etsy andaniny dia manjaka ny toe-po anjakan地y fisainan段zao tontolo (s馗ularisation) izay mitady hanilika ny fivavahana tsy ho eo amin地y sehatry ny fiainam-bahoaka, etsy ankilany indray dia misy ilay fonjan-kevitra andraisana an-tendrony amin地y lafiny ara-pivavahana (int馮ralisme religieux), izay tsy manaja ny fahafahan地y hafa ary mikotrika endrika tsy fandeferana sy herisetra, izay hita taratra na ao amin地y ankohonam-piainana kristianina sy ao amin地y fifandraisany amin地y fiaraha-monina aza. Matetika koa no manana toe-tsaina toy izany ny kristianina, mikononkonona fisaratsarahana sy fanoherana na eo anivon地y Eglizy aza. Tsy maintsy heverina koa ny fomba fiantraikan地y fisaraham-bazana mandrotika ny fiaraha-monina ao amin地y ankohonam-piainana kristianina sy amin地y fifandraisany amin段o fiaraha-monina io, noho ny antony ara-poko, ara-pirazanana, ara-tsaranga na arak弾ndri-panasokajiana hafa anivom-piaraha-monina na noho ny herisetra ara-kolontsaina sy ara-drafitra. Misy fiantraikany lalina amin地y hevitry ny ォ fiarahan-dia サ ireo toe-javatra ireo, ary misy fiantraikany ihany koa amin地y fahafahana manatanteraka azy.

9. Ao anatin段zany toe-java-misy izany, dia ny fiarahan-dia no lalam-be fototra ho an地y Eglizy, izay antsoina hihavao eo ambanin地y asan地y Fanahy Masina ary noho ny fihainoana ny Tenin但ndriamanitra. Ezaka tak�na amin地y Eglizy ny fampisiana dingana hihainoana ny hafa, dingana ifanakalozan-kevitra ary iarahan地y ankohonam-piainana mandinika, izay handraisan地y tsirairay sy ny daholobe anjara ary hitondr瀟y ny anjara birikiny. Miankina be dia be amin段o ezaka io no hahafahana mamolavola hoavy hafa ho an地y Eglizy sy ho an段reo rafitra ao aminy, hoavy mifanentana amin地y iraka noraisiny. Miaraka amin段zay, ny safidy ォ hiara-dia サ dia famantarana ara-paminaniana ho an地y fianakavian地y olombelona izay mila vinan誕sa iraisana afaka mikatsaka izay mahasoa ny rehetra.

Ny Eglizy mahay miombona sy anjakam-pirahalahiana, mahay mampandray anjara sy manome ny tsirairay ny anjara toerana sahaza azy, ary tsy mivadika amin段zay tor�ny, dia ho afaka miara-d瀝ana amin地y mahantra sy ny madinika indrindra, ary ho afaka mitondra ny feon段zy ireo. Mba hizorana miaraka dia ilaina ny hanekentsika hobeazin地y Fanahy Masina ho amin地y toe-tsaina tena vonon-kiara-dia, ka hiditra amin-kasahiana sy amin-kalalahana ao amin地y dingam-pibebahana; raha tsy misy manko io dingam-pibebahana io, dia tsy ho azo tanterahina velively ォ ny fanavaozana tsy miato ilain地y Eglizy amin地y maha-rafitra ikambanan弛lombelona eto an-tany azy サ (EK na Soridalana momba "Ny Ekiomenisma", lah.6 ; jer. EG, lah. 26).

II. ォ Eglizy miara-dia サ araka ny maha-izy azy.

10. ォ Ny zavatra angatahin地y Tompo amintsika, amin地y lafiny iray, dia efa voarakitra ao amin地y teny hoe Sinaody サ[8], izay teny ォ tranainy ary nomena lanja tao amin地y Lovam-panahin地y Eglizy, ny heviny dia mampahatsiaro ireo votoaty lalin地y Fanambar瀟a サ[9]. ォ Izy Tompo Jesoa no mampahafantatra ny tenany ho "lalana sy fahamarinana ary fiainana" (Jo 14,6) サ, ary ォ ny kristianina, izay manaraka Azy, no nantsoina hoe "mpianatry ny lalana" tany am-boalohany (jer. Asa 9,2; 19,9.23; 22,4; 24,14.22) サ[10]. Araka io fijery io, dia mihoatra lavitra noho ny fankalazana fihaonana eo anivon地y Eglizy sy ny fivoriamben地y eveka, na resaka fitantanana anaty ao amin地y Eglizy ny fiarahan-dia ; izany dia ォ manambara ny fomba fiaina sy fomba fiasan地y Eglizy Vahoakan但ndriamanitra izay maneho sy manatanteraka amin地y fomba azo tsapain-tanana ny maha-fiombonana azy, ao amin地y fizorana miaraka, ao amin地y fihaonany mba hivory ary ao amin地y fandraisana anjara mavitriky ny mpikambana ao aminy amin地y asa fitoriana ny Evanjely サ[11]. Araka izany dia mifaningotra ireo lohahevitra atolotry ny lohatenin地y Sinaody ho teza ihodinan地y ォ Eglizy miara-dia サ: fiombonana, fandraisana anjara ary asa fanirahana. Soritantsika ato amin段ty toko ity ireo foto-kevitra ara-te�l�jia ifaharan段o fomba fijery io.

11. Tamin地y taon誕rivo voalohany, ny hoe ォ miara-mizotra サ, izany hoe mampihatra ny fiarahan-dia, dia fomba fiasa nahazatra ny Eglizy amin地y maha-ォ Vahoaka novor�n地y firaisan地y Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina サ[12] azy. Ireo izay nampizarazara ny Eglizy vatana dia nampifanoherin地y Aban地y Eglizy tamin地y fiombonan地y Eglizy miely patrana manerana an段zao tontolo izao, izay nofaritan段 Md Augustin ho ォconcordissima fidei conspiratioサ[13], izany hoe : fiombonana ao amin地y finoan地y vita Batemy rehetra. Ao amin段zany no miorim-paka ny fivelaran地y fomba fiaina sy fomba fanao ampiharana ny fiarahan-dia amin地y ambaratonga rehetra ao amin地y fiainan地y Eglizy -eo an-toerana, amin地y faritra, maneran-tany-, izay niseho tamin地y endriny faratampony tao amin地y Konsily Ekiomenika. Tao amin段o tontolon地y Eglizy io, no nahafahan段 Md Jean Chrysostome nilaza fa ォ mitovy ny hevitry ny teny hoe Eglizy sy ny teny hoe Sinaody サ[14], rehefa notsilovin地y fitsipika fototra mikasika ny fandraisana anjaran地y rehetra amin地y fiainam-piangonana izy. Tamin地y taon誕rivo faharoa, na dia nanantitrantitra mafy momba ny asa sahanin地y ambaratongam-pitantanana aza ny Eglizy, dia tsy latsa-danja akory io fomba fiasa nampiharana ny fiarahan-dia io : raha toa mantsy ka efa nisy sy nankatoavina, tetsy ankilan地y Konsily Ekiomenika, ny fankalaz瀟a sinaody di�sezanina sy isam-paritra tamin地y vanim-potoana medievaly sy m�derna, dia sitraky ny Papa koa ny naka ny hevitry ny Eveka mba hahalal瀟a ny finoan地y Eglizy manontolo, tamin地y famaritana amam-panolorana ireo fahamarinana tsy maintsy inoana (d�gma), ka nitodihana sy niantsoana vonjy tamin地y fahefan地y fahatsapam-pinoan地y vahoakan但ndriamanitra manontolo, izay ォ tsy mety diso rehefa mino サ (EG, lah. 119).

12. Ao amin段o hery ananan地y Lovam-panahy io no miorim-paka ny Konsily Vatikana II. Asongadiny fa ォ sitrak但ndriamanitra ny hanamasinana sy hamonjena ny olombelona, tsy misingantsingana nefa koa tsy miankina amin段zay mety ho fifamatorana amin段zy samy izy, fa sitrany ny hampijoro azy ho vahoaka iray hankato Azy anatin地y fahamarinana sy hanompo Azy amim-pahamasinana サ (FF, lah. 9). Ampiraisin地y Batemy ireo rantsam-batan地y vahoakan但ndriamanitra, ary ォ na dia sitrak段 Kristy ho mpampianatra aza ny sasany, mpitantana ny mistery ary mpiandry hahasoa ny hafa ny sasany, dia misy fitoviana torosy tanteraka eo amin段zy ireo, mikasika ny fahamendrehena sy ny asa handrafetana ny Vatan段 Kristy, izay iombonan地y Mpino rehetra サ (FF, lah. 32). Noho izany, dia mpandray anjara amin地y adidy maha-mpisorona, maha-mpaminany ary maha-mpanjaka an段 Kristy ny vita batemy rehetra, ォ amin地y fitantanana ny harenan地y fanomezam-pahasoavany izay miseho amin地y endrika maro sy mirindra, ny harenan地y fiantsoana sy ny asa fanompoana サ[15], ka tonga mpiantsehatra mavitrika amin地y fitoriana ny Evanjely, na mandeha irery izany na miaraka amin地y vahoakan但ndriamanitra manontolo.

13. Nantitranterin地y Konsily fa noho ny fanosorana avy amin地y Fanahy Masina noraisina tamin地y Batemy, dia ォ tsy mety ho diso amin地y finoana ny fitambaram-ben地y Mpino, ary io sata manokana ananany io dia asehony amin地y fahatsapam-pinoana sopernatoralin地y Vahoakan但ndriamanitra manontolo, rehefa aharihariny ny fanekeny iombonambe maneran-tany mikasika ny finoana sy ny fitondran-tena, manomboka amin地y Eveka ka hatrany amin地y mpino lahika madinika indrindra サ (FF, lah. 12). Ny Fanahy Masina no mitarika ny mpino ォ amin地y marina rehetra サ (Jo 16,13). Noho ny asany, dia ォ miroborobo ao amin地y Eglizy ny Lovam-panahy noraisina tamin地y Ap�st�ly サ, satria ny vahoakan但ndriamanitra manontolo dia mitombo amin地y fahazoana sy amin地y traikefan地y ォ zavatra sy ny teny nampitaina, na tamin地y fibanjinana sy ny fianarana ataon地y mpino izay mandinika izany ao am-pony (Lk 2,19.51) ; na amin地y fahazoany ny zava-panahy avy amina traikefa lalina kokoa, na amin地y alalan地y fitorian-tenin段reo nahazo fanomezam-pahasoavana, izay azo antoka fa manambara ny fahamarinana, dia ireo Eveka nifandimby サ (FA, lah. 8). Io vahoaka vor�n地y Mpiandry Ondry io tokoa manko dia mifikitra amin地y tahiry masin地y Tenin但ndriamanitra nankinina amin地y Eglizy, mitozo tsy miato amin地y fampianaran地y Ap�st�ly, ao amin地y fiombonam-pirahalahiana, amin地y fizar瀟a ny mofo sy ny fivavahana, ォ ka rehefa mitahiry sy mampihatra ary manambara ny finoana nampitaina izy ireo, dia misy fiombonam-panahy miavaka eo amin地y Mpiandry sy ny Mpino サ (FA, lah. 10).

14. Noho izany dia aoka tsy hatahotra ny hihaino ny andian弛ndry nankinina aminy ireo Mpiandry ondry, izay natsangan但ndriamanitra ho ォ mpitahiry azo antoka, mpivaofy sy vavolombelon地y finoan地y Eglizy manontolo サ[16] : ny fakan-kevitra amin地y vahoakan但ndriamanitra anefa dia tsy midika hoe fandraisana sy fampiharana eo anivon地y Eglizy ireo fitsipika manentana ny dem�krasia, izay mifototra amin地y lal瀟an地y maro an段sa, satria fitiavana iombonana mirehidrehitra amin地y asa fitoriana ny Evanjely no fototry ny fandraisana anjara amin地y dingan地y fiarahan-dia, fa tsy fisoloana tena itakiana tombontsoa ifanoherana. Raha lazaina amin地y teny hafa, dia tsy inona izany fa dingana iray eo anivon地y Eglizy, izay tsy mety ho tanteraka raha tsy ォ ao anatin地y ankohonam-piainana misy ambaratongam-pitantanana voarafitra サ[17]. Rehefa mifandray tsara ka mitondra vokatra ny fahatsapam-pinoan地y Vahoakan但ndriamanitra sy ny asana mpampianatra iantsorohan地y Mpiandry ondry, dia tanteraka fiombonan-kevitry ny Eglizy manontolo ao anatin地y finoana iray ihany. Endrika mihariharin地y ォ fiarahan-dia サ, izay mampitombo sy mampivelatra ny Eglizy, ny dingan地y fiarahan-dia tsirairay avy; ao indrindra no iantsoana ny eveka hamantatra izay lazain地y Fanahy amin地y Eglizy, tsy mandeha irery anefa izy fa mila mihaino ny Vahoakan但ndriamanitra, izay ォ mandray anjara ihany koa amin地y adidy maha-mpaminany an段 Kristy サ (FF, lah. 12). Nantitranterin段 Md Beno�t fa ォ matetika ny Tompo no manambara ny fanapahan-kevitra tsara サ[18] amin段zay tsy manana anjara toerana lehibe eo anivon地y ankohonam-piainana, eto amin段ty tranga ity dia amin地y tanora indrindra izany. Torak段zany koa dia tokony hoheverin地y eveka ny fomba hampandraisana anjara ny rehetra, mba ho tanteraka ao amin地y fizotran地y dia iaraha-manatontosa, ilay nanafaran段 Paoly ap�st�ly an段reo ankohonam-piainana hoe: ォ Aza mamono ny Fanahy Masina. Zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara サ (1Tes 5,19-21).

15. Voalohany indrindra, ny hevitry ny "dia" iantsoana antsika rehetra dia ny hahitana ny toetra sy ny endriky ny ォ Eglizy miara-dia サ, fa ォ manana zavatra ianarana ao ny tsirairay. Mifampihaino izy rehetra: dia ny vahoakan但ndriamanitra, ny fivondronamben地y eveka, ny Evekan段 R�ma ; ary samy mihaino ny Fanahy Masina, dia ilay "Fanahin地y fahamarinana" (Jo 14,17), mba ahafantarana izay "lazainy amin地y Eglizy" (Ap 2,7) サ[19]. Angatahin地y Evekan段 R�ma, izay loharano sy fototry ny fiombonan地y Eglizy, ny hidiran地y eveka rehetra sy ny Eglizy any an-toerana avy amim-pitokisana sy fahasahiana, ao amin地y lalan地y fiarahan-dia, fa ao amin段reny Eglizy any an-toerana ireny no misy ny Eglizy kat�lika iray sy tokana aman-tany, ary izy ireny koa no mampisy azy (jer. FF, lah.23). Ao amin段o ォ fiarahan-dia サ io, dia angataho ny Fanahy Masina mba hampahit瀟y antsika ny maha-zava-dehibe ny fiombonana amin地y asa fanirahana, dia ilay fiombonana mampivondrona ho iray ny fanomezana sy ny fanomezam-pahasoavana ary ny fanompoana samihafa : ny ォ Eglizy miara-dia サ dia Eglizy "mivoaka", Eglizy misi�nera, Eglizy ォ manokatra ny varavarany サ (EG, lah. 46). Voaray ao anatin段zany ny antso handalina ny fifandraisana amin地y Fiangonana sy amin地y ankohonam-piainana kristianina hafa, dia ireo ampiraisin地y Batemy tokana amintsika. Mbola mivelatra bebe kokoa noho izany anefa ny sehatry ny ォ fiarahan-dia サ, satria mahakasika ny taranak弛lombelona manontolo izy io, dia ireo ォ iombonantsika hafaliana sy fanantenana, ary fahoriana sy tebiteby サ (FAA, lah. 1). Ny ォ Eglizy miara-dia サ dia famantarana maha-mpaminany, indrindra ho an地y ankohonam-pirenena tsy afa-manolotra vinan誕sa iombonana, hanatrarana ny soa ho an地y besinimaro: ny fampiharana ny fiarahan-dia dia fomba iray miharihary ho an地y Eglizy, hijoroany ho ォ sakramentam-pamonjena ho an段zao tontolo izao サ (FF, lah.48) sy ho ォ famantarana sady fitaovana hanatanterahana ny fiombonana lalina amin但ndriamanitra sy ny firaisan地y taranak弛lombelona rehetra サ (FF, lah. 1).

III. Eo am-pihainoana ny Soratra Masina

16. Io Fanahin但ndriamanitra io ihany, izay niasa tao amin地y iraka notontosain段 Jesoa, Ilay Fanahy Masina nampanantenaina ny ap�st�ly sy ny mpianatra amin地y taona mifandimby, dia ireo izay mihaino ny Tenin但ndriamanitra sy manatanteraka izany, no Fanahy manilo sy mamelona an段o ォ fiarahan-dia サ io. Tsy mihanona amin地y fanamafisana ny fitohizan地y Evanjelin段 Jesoa araka ny fampanantenan地y Tompo fotsiny ny Fanahy Masina, fa hanilo ny halalina vaovaon地y Fanambar瀟y sy hanolo-tsaina ho amin地y fanapahan-kevitra ilaina hanohanana ny dian地y Eglizy (jer Jo 14,25-26; 15,26-27; 16,12-15). Noho izany dia ilain地y 租ia� ataontsika, ho fanorenana ォ Eglizy miara-dia サ, ny manovo hevitra amina kisary anankiroa voalaza ao amin地y Soratra Masina. Ny voalohany dia mipoitra avy amin地y fampisongadinana ny lafiny maha-ankohonam-piainana, izay miara-d瀝ana lalandava amin地y l瀝an地y fitoriana ny evanjely; ny faharoa indray dia mifandraika amin地y traikefa ananana momba ny Fanahy Masina, tao amin段o traikefa io manko no nieken段 Piera sy ny Eglizy tany am-piandohana, fa mety hitera-doza ny fametrahana fetra na fepetra tsy dia mitombona loatra amin地y fizar瀟a ny finoana. Ny traikefa iaraha-mampihatra ny ォ fiarahan-dia サ dia ho afaka handray tolokevitra tsy iverenan-d瀝ana, avy amin地y fandinihana ireo vanim-potoana roan地y Fanambar瀟a: dia ny vanim-potoana nanarahan地y ap�st�ly ny Tompo sy ny vanim-potoana nanekeny hotarihin地y Fanahy Masina.

Jesoa, ny vahoaka, ny ap�st�ly

17. Tamin地y nitorian段 Jesoa ny fiavian地y Fanjakan但ndriamanitra, dia misy singa iray tsy miova nentiny nanambara ny tenany ao amin地y Evanjely: miavaka tokoa izy io raha ny firafiny no jerena. Telo (miampy iray hafa) ireo mpiantsehatra mandray anjara. Mazava ho azy fa i Jesoa no voalohany, ilay mpiantsehatra tsy iadian-kevitra izay nandray ny finiavana, namafy ny teny sy ny famantarana ny fahatongavan地y Fanjakan但ndriamanitra, tsy nisy ォ fizahan-tavan弛lona サ (jer. Asa 10,34). Notsinjovin段 Jesoa manokana tamin地y fomba maro ireo "tafasaraka" tamin但ndriamanitra sy ォ narian地y ankohonam-piangonana (ny mpanota sy ny mahantra, araka ny fomba fiteny evanjelika). Nanolotra fanafahana tamin地y ratsy sy fibebahana ho amin地y fanantenana tamin地y anaran但ndriamanitra Ray sy tao amin地y herin地y Fanahy Masina, tamin地y alalan地y teniny sy ny fihetsiny i Jesoa. Na samihafa aza ny fiantsoana sy ny fomba famaliana ny fandraisana ny Tompo, dia nisy hatrany ny soritra niombonana, dia ny hoe miseho mandrakariva ho toy ny fanomezan-danja ny olona ny finoana: nohenoina ny fitarainany, nomena fanampiana izy tamin地y zava-manahirana azy, nankamamiana ny fahavononany, nohamafisin地y fijerin但ndriamanitra ny fahamendrehany ary voaverina amin地y laoniny ka nankatoavin地y ankohonam-piainana.

18. Ny asa fitoriana ny Evanjely sy ny hafa-pamonjena tokoa mantsy dia tsy mety ho takatry ny saina, raha tsy eo ny fisokafana tsy miato ataon段 Jesoa amin弛lona maro kokoa araka izay tratra; ireny no lazain地y evanjely fa vahoaka, na koa fitambaran段reo olona nanaraka azy teny an-dalana, ary indraindray aza dia manjohy Azy hatraiza hatraiza noho ny fanantenany hahita famantarana na handre tenim-pamonjena iray. Dia io vahoaka io no mpiantsehatra faharoa ao amin地y fizotry ny Fanambar瀟a. Tsy olom-bitsy nahazo fanilovana na voafidy mialoha manko no nitoriana ny Evanjely. Ny vahoaka ankapobeny, izany hoe ireo rehetra niaina ny toetra maha-olombelona, no niresahan段 Jesoa, nampifandraisiny mivantana tamin地y fanomezan但ndriamanitra sy tamin地y fiantsoana ho amin地y famonjena. Gaga ireo vavolombelona ary indraindray aza dia tafintohina, fa nanaiky hiresaka tamin段reo rehetra nipoitra avy amin地y sarambabem-bahoaka i Jesoa: nohenoiny ny fitarainana feno hafanampon段lay vehivavy Kananeanina (jer. Mt 15,21-28), izay tsy nanaiky ny ho voahilika tsy hahazo ny tsodrano nentiny; nekeny ny hiresaka tamin段lay vehivavy Samaritanina (Jo 4,1-42), na dia vehivavy voageja teo amin地y lafim-piaraha-monina sy ara-pivavahana aza io; notarihiny hanao fihetsika maneho finoana an-kalalahana sy fiekena Azy ilay teraka jamba (Jo 9), izay nailiky ny fivavahana �fisialy ho toy ny vahiny any ivelan地y faritry ny fahasoavana.

19. Ny sasany tamin段reo vahoaka ireo dia nanaraka an-karihary an段 Jesoa, niezaka tsy nivadika amin地y maha-mpianatra; ny hafa kosa nasaina hiverina any amin地y fiainany andavanandro: samy mijoro ho vavolombelon地y herin地y finoana namonjy azy ireo avy anefa izy rehetra (jer. Mt 15,28). Nisongadina indrindra tamin段reo nanaraka an段 Jesoa ny ap�st�ly, izay nantsoiny hatramin地y voalohany, natokany ho mpanelanelana nomena fahef瀟a hisahana ny fifandraisan地y vahoaka amin地y Fanambar瀟a sy amin地y fiavian地y Fanjakan但ndriamanitra. Ny fidiran段o antokon弛lona fahatelo io an-tsehatra dia tsy mba avy amin地y fanasitranana na fibebahana, fa mifanojo indrindra amin地y fiantsoan段 Jesoa. Ny fiantsoana ny ap�st�ly dia tsy tombontsoa miompana amina toerana ananana fahef瀟a anilihana ny hafa na tombontsoa vokatry ny fisarahana amin地y hafa, fa fahasoavan地y fandraharaham-panompoana iray mitondra tsodrano sy fiombonana, tsy anavahana na iza na iza. Noho ny nanomezana ny Fanahy Masin地y Tompo nitsangan-ko velona, dia tsy maintsy ho sarotiny amin地y toeran段 Jesoa ny ap�st�ly, kanefa koa tsy hisolo Azy: tsy hametraka sivana amin地y fifandraisan地y olona Aminy, fa hanamora ny fihaonana Aminy.

20. Jesoa, ny vahoaka ao amin地y fahasamihaf瀟y, ny ap�st�ly: io ilay kisary ary mistery hobanjinina sy hohalalinina lalandava mba hahatonga ny Eglizy araka ny maha-izy azy hatrany. Tsy misy afaka miala an-daharana ireo mpiantsehatra telo ireo. Raha tsy eo i Jesoa dia tsy maintsy hisy olon-kafa haka ny toerany, amin段zay dia lasa fifanarahana amin地y ap�st�ly sy ny vahoaka fotsiny ny Eglizy, ka hiafara tahaka ny teti-panorona p�litika ny fifampiresahan段zy ireo. Raha tsy eo ny ap�st�ly nomen段 Jesoa alalana sy notoroan地y Fanahy hevitra, dia ho tapaka ny fifandraisana amin地y fahamarinana ambaran地y Evanjely ary ho zary olona nitantar瀟a angano na namelabelarana fonjan-kevitra momba an段 Jesoa fotsiny ny vahoaka, ka na izy ireo handray Azy na hitsipaka. Raha tsy eo ny vahoaka, dia ho simba ny fifandraisan段 Jesoa sy ny ap�st�ly, ka ho lasa endrika fisamatsamahana ny fivavahana ary tsy hitodika afa-tsy amin地y tenany, ho very fahazavana ny fitoriana ny Evanjely, dia ilay fahazavana avy amin地y fanambar瀟但ndriamanitra ny tenany izay miantefa mivantana amin地y olona rehetra, amin地y fanolorana azy ny famonjena.

21. Ary farany dia ao ilay mpiantsehatra fanampiny, ilay mpanohitra, izay mampiditra an-tsehatra ny fisaratsarahan段reo telo hafa, fisaratsarahana asan地y demony. Teo anatrehan地y fanafintohinana ateraky ny hazofijaliana, dia nitsoaka an-daharana ny mpianatra sasany ary nisy tamin地y vahoaka no niova hevitra. Ny vela-pandrika mampisaraka � izany hoe manohitra ny dia iombonana � dia miseho ihany koa amin地y endriky ny fihenjanana loatra amin地y lafiny ara-pivavahana, miseho amin地y fanerena be fahatany eo amin地y lafiny ara-pitondran-tena izay hentitra lavitra noho ny an段 Jesoa, sy miseho amin地y fisarihana ny olona hanatona amin地y alalan地y fahendrena p�litikan段zao tontolo izao, izay milaza tena ho mahomby lavitra noho ny fanavahana amam-pamantarana ny fanahy. Mba hahafahana amin地y famitahana ataon段lay mpiantsehatra fahefatra dia ilaina ny fibebahana mitohy. Miteny ho azy ny amin段zany ny tantaran段 K�rnely mpifehy miaramila zato (jer. Asa 10), zava-nitranga talohan地y Konsily tao Jerosalema (jer. Asa 15) izay teboka iray manan-danja tsara itodihana sy iverimberenana matetika mba hampisiana Eglizy ォ miara-dia サ.

 

Fibebahana roa sosona: i Piera sy i K�rnely (Asa 10).

Tantaraina eto ny fibebahan段 K�rnely, izay nialohavana karazana fanambar瀟a mialoha. Tsy mpino i K�rnely, mety ho R�manina, mpifehy miaramila zato, izany hoe manamboninahitra farany ambany tamin地y tafiky ny mpanjanaka, izay manatanteraka asa mifototra amin地y herisetra sy fanararaotam-pahefana. Na izany aza anefa dia tia vavaka sy mpanao asa fiantr瀟a izy, izany hoe nanana fifandraisana tamin但ndriamanitra ary niahy ny olombelona namany. Tsy nampoizina anefa fa tao an-tranony mihitsy no niditra ny anjely, niantso azy tamin地y anarany sy nampirisika azy handefa ny mpanompony ho any Jope hiantso an段 Piera � mandefa: matoanteny fampiasa amin地y asa fanirahana; miantso: matoanteny fampiasa amin地y fiantsoana. Lasa fitantar瀟a ny fibebahan段 Piera anefa ny zavatra niseho; tamin段o andro io manko dia nahazo fahitana koa i Piera, nisy feo nibaiko azy hamono sy hihinana amin段reo biby naseho azy, biby maloto anefa ny sasany tamin段reny. Nazava sy hentitra ny valin-teniny: ォ Sanatria izany, Tompoko サ (Asa 10,14). Fantany fa ny Tompo no niteny taminy, fa notoheriny tamin地y fomba mazava, satria manozongozona ny fitsipiky ny Lal瀟a izay tsy tokony holavina amin地y maha-Jody azy, fitsipika izay toa mampiseho fa fahasamihaf瀟a mifono fisarahana sy fanavahana miohatra amin地y hafa (vahoaka) no hevitry ny fifidianana (fiantsoana) ataon地y Tompo.

23. Very hevitra mafy ity ap�st�ly ity, ary raha mbola nanontany tena ny amin地y hevitr段zay niseho izy, dia tonga ireo olona nirahin段 K�rnely, izay nambaran地y Fanahy taminy fa iraka nalefany. Mampahatsiaro ny tenin段 Jesoa tao an-tanimbolin碇liva ny teny namalian段 Piera an段reo olona ireo: ォ Izaho no ilay tadiavinareo サ (Asa 10,21). Tena fibebahana marina io, dingana ivoahana avy ao amin地y sokajy ara-kolontsaina sy ara-pivavahana misy ny tenany, dingana niaretana fanaintainana sy nitondra vokatra: nanaiky hihinana niaraka tamin地y Jentily i Piera, sakafo izay noheveriny hatramin段zay fa maloto, kanefa eto dia ekeny ho fitaovana mahavelona ary mampiombona amin但ndriamanitra sy amin地y hafa. Ao amin地y fihaonana amin地y olona, amin地y fandraisana azy ireny, iarahana dia aminy sy idirana ao an-tranony, no ahazoany ny hevitry ny fahitany: tsy misy olombelona tsy mendrika eo imason但ndriamanitra, ary ny fahasamihafana nateraky ny fifidianana dia tsy fiangarana hanilihana ny hafa akory, fa fanompoana sy fijoroana ho vavolombelona mivelatra amin段zao tontolo izao.

24. Na i Piera na i K�rnely dia samy nahatarika olona tamin地y dingam-pibebahany, ka noraisin段zy ireo ho mpiara-dia taminy ireny olona ireny. Ny asan誕p�st�ly araka izany dia mahatanteraka ny sitrapon但ndriamanitra mahary ankohonam-piainana, mampirodana ny sakana ary mampiroborobo fihaonana. Mitana anjara toerana lehibe ao amin地y fihaonan段reto mpiantsehatra roa ireto ny Teny. Nanomboka nizara ny zavatra hitany i K�rnely. I Piera kosa nihaino azy, avy eo dia nandray fitenenana nampahafantatra izay niseho taminy koa, ary nijoro ho vavolombelona fa eo akaiky eo ny Tompo, ary mitsena ny olona tsirairay mba hanafaka azy amin地y ratsy mangeja azy sy amin段zay mampihen-danja ny maha-olona azy (jer. Asa 10,38). Io fomba nampit瀟a hafatra io dia mitovy amin段zay hosafid�n段 Piera, rehefa homen段reo voafora tsiny izy any Jerosalema, rehefa hampangain段reo fa nandika ny fitsipika nentim-paharazana, izay nampifantohan段zy ireo ny sainy manontolo, ka tsy niraharah瀟y ny firotsahan地y Fanahy Masina: ォ Niantrano tany amin地y olona tsy voafora ianao ary niara-nihinana tamin段zy ireo! サ (Asa 11,3). Tamin段o fotoana nifandirana io no nitantaran段 Piera izay niseho taminy sy ny fahaverezan-keviny, ny tsy fahazoany an-tsaina ny zava-nitranga sy ny fanoherany. Izany indrindra anefa no hanampy an段reo olona niresaka taminy ireo hihaino sy handray ny zava-nitranga, na dia somary nasiatsiaka sy tsy nisokatra aza izy ireny teny am-boalohany. Nanampy tamin地y fivoasana ny hevitr段zany ny Soratra Masina, tahaka izay hitranga ihany koa mandritra ny K�nsily any Jerosalema, ao anatin地y dingan地y fandinihana amam-pamantarana, izay fiaraha-mihaino ny Fanahy.

IV. Fampiharana ny fiarahan-dia: torolalana hakana hevitra amin地y Vahoakan但ndriamanitra.

25. Ny 租ia� iaraha-manatontosa, izay tsilovin地y Tenin但ndriamanitra sy mifototra ao amin地y Lovam-panahy, dia miorim-paka ao amin地y fiainan地y vahoakan但ndriamanitra, izay fiainana azo tsapain-t瀟ana. Maneho toetra manokana izay loharanon-karena tena miavaka koa izy io: sady tanjona mantsy no fomba hanatanterahana asa (met�da) ny fiarahan-dia. Raha lazaina amin地y teny hafa, dia sady karazana toerana hanatanterahana ny asa izy io no fanandramana atao fitaratra na fakan-tahaka, ahazoana manangona sahady ireo vokatry ny hery manetsika ampidirin地y fibebahana miandalana ho amin地y fiarahan-dia (conversion synodale) ao amin地y ankohonam-piainana kristianina. Etsy andanin段zany dia tsy maintsy hampitodika ny mpino amin段reo traikefam-piarahan-dia efa niainana tamina sehatra maro ary tamina dingana samihafa samy manana ny lanjany izy io. Ny herin地y fiarahan-dia sy ny fahombiazany, tahaka ny fetrany sy ny hasarotana nosedraina, dia manolotra singa sarobidy ilaina amin地y fiezahana mamantatra ny zotran地y lalana mbola harahina. Mazava loatra fa mitodika amin段reo traikefa netsehin段ty 租ia� iaraha-manatontosa ity isika, fa ilaina koa ny mitodika amin段reo traikefa rehetra efa nanandramana karazana endrika ォ fiarahan-dia サ amin地y fiainana andavanandro, na dia tsy fantatra sy tsy ampiasaina amin段zany akory aza io teny io.

Ny fanontaniana fototra

26. Ny fanontaniana fototra hitarihana ity fakan-kevitra amin地y Vahoakan但ndriamanitra ity, araka ny efa natsidika teny am-panokafana, dia izao manaraka izao: ォ ny Eglizy miara-dia サ eo am-pitoriana ny Evanjely, dia ォ miara-mizotra サ : ahoana no anatanterahana an段o ォ fiarahan-dia サ io ankehitriny ao amin地y Eglizy misy anareo? Inona ny dingana andrasan地y Fanahy Masina amintsika hampiroboroboana an段ty fiarahan-dia ity ?

Ho famaliana an段o fanontaniana fototra io, dia asaina ianareo:

a) hametra-panontaniana: traikefa toy inona ao amin地y di�sezinareo no ampahatsiahivin段o fanontaniana fototra io anareo?

b) hanao jery todika sy handalina bebe kokoa ireny traikefa ireny: hafaliana manahoana no naterak段zany? Inona ny fahasarotana sy sakana tojo anareo tamin段zany? Karazana ratra toy inona no napoitrany? Fahatsap瀟a (tsindrimandry) toy inona no vokany?

d) hioty ny vokatra hanaovana fifampizar瀟a: taiza ho aiza tamin段reny traikefa ireny no nanakoako ny feon地y Fanahy? Inona no angatahiny amintsika? Inona ny lafiny mbola mila fanamafisana orina, ny zavatra tokony hovaina, ny dingana hotanterahina? Taiza no nahitantsika hevitra niombonana? Lalana toy inona no misokatra ho an地y di�sezintsika?

Endrika maro isehoan地y fiarahan-dia

27. Ao amin地y fivavahana, ao amin地y fandinihana sy ny fifampizar瀟a nofohazin地y fanontaniana fototra, dia tsara ny mitana an-tsaina ireo sehatra telo ihariharian地y fiarahan-dia ho toy ny ォ lafy mandrafitra ny Eglizy サ[20] :

-       ny sehatry ny fomba iainan地y Eglizy sy ny fomba ias瀟y amin地y andavanandro, izay maneho ny toetran地y Vahoakan但ndriamanitra miara-mizotra sy manao fivoriambe nampiantsoan地y Tompo Jesoa ao amin地y herin地y Fanahy Masina, mba hitoriana ny Evanjely. Io fomba fiaina sy fomba fiasa io dia tanteraka ao amin地y ォ fiarahan地y ankohonam-piainana mihaino ny Tenin但ndriamanitra sy ao amin地y fankalaz瀟a ny Eokaristia, ao amin地y firahalahiam-piombonana ary ao amin地y fiaraha-miantsoroka andraikitra sy ny fandraisana anjaran地y Vahoakan但ndriamanitra rehetra amin地y fiainan地y Eglizy sy ny asa nanirahana azy, araka ny sehatra misy azy ireo avy sy ao amin地y fahasamihafan地y fandraharah瀘-panompoana sy ny asa サ[21].

-       Ny sehatry ny rafitra sy ny dingam-pitomboana eo anivon地y Eglizy nofaritan地y fijery te�l�jika sy kan�nika (araka ny Lal瀟an地y Eglizy), ka isehoan地y tena toetran地y Eglizy, toetra anjakan地y fiarahan-dia tanteraka, amin地y endrika rafitra eo an-toerana, na amin地y faritra na maneran-tany;

-       Ny sehatry ny atrik誕sa sy ny hetsika amin地y fanatanterahana sinaody iantsoan地y fitondr瀟a mahefa ny Eglizy, araka ireo dingam-panatanterahana manokana voafaritry ny fitsipiky ny Eglizy.

Na dia samihafa aza ireo sehatra ireo amin地y fomba fijery l�jika, dia mifanjohy mandrakariva ary tsy maintsy tazonina miaraka amim-pomba mirindra, raha tsy izany dia hiteraka fanafintohinana ka lasa tsy inoan-teny intsony ny Eglizy. Raha tsy zary zava-misy azo tsapain-t瀟ana ao amin地y sehatry ny rafitra sy ny dingam-pitomboana tokoa mantsy ny fomban地y fiarahan-dia, dia hianjera mora foana avy amin地y maha-faniriana amam-pikasana azy ka ho lasa kabary ambony vavahady fotsiny ihany; ary raha tsy fomba fanao sy fiaina sahaza no manentana ny atrik誕sa sy ny hetsika, dia ho lasa fihetsiketsehana ivelany fotsiny nefa poakaty.

28. Ankoatr段zay, ao amin地y fiverenana hamaky indray ny traikefa lasa, dia ilaina ny mihevitra fa azo takarina araka ny fomba fijery anankiroa mifandrohy lalina ny hoe ォ fiarahan-dia サ. Ny voalohany dia mikasika ny fiainana anatin地y Eglizy manokana, ny fifandraisan段reo olona mandrafitra azy (voalohany amin段reny ny fifandraisana eo amin地y Mpino sy ny Mpiandry azy ireo, indrindra amin地y alalan段reo sampan-draharaha mpandray anjara efa voaoman地y fitsipi-pifehezana kan�nika mialoha, voaray ao anatin段zany ny sinaody di�sezanina) ary ireo ankohonam-piainana mampifanjohy azy ireo (indrindra ny Paroasy). Fa jereny ihany koa ny fifandraisana eo amin地y samy eveka sy ny fifandraisan段zy ireo amin地y Evekan段 R�ma, indrindra amin地y alalan段reo sampan-draharaha mpanelanelan地y fiarahan-dia (Sinaodin地y evekan段reo Eglizy Patriarkaly sy arsiepisk�paly lehibe, Filankevitry ny Hierarka -ireo Lehibe amin地y Eglizy �rt�d�ksa- sy Fivondronan地y Hierarka any amin段reo Eglizy miombona amin地y Eglizy kat�lika manerantany kanefa manana ny fahaleovan-tenany manokana [sui iuris], Fivondronamben地y eveka eo amin地y sehatra nasi�naly na iraisam-pirenena na eo anivon地y k�ntinanta). Dia velarina kokoa izany mba ahafahan地y Eglizy manokana mampiditra ao aminy ny fandraisana anjaran段reo endri-piainana mihiboka samihafa, ny relijiozy, ny voatokana, fikambanana sy firohotana lahika, rafitra eo anivon地y Eglizy amin地y maha-ankohonam-piainan地y mpino azy na rafitra isan-karazany miankina amin地y Eglizy (sekoly, trano fitsaboana, anjerimanontolo, rafitra natsangana hanasoavana ny olona, fikambanana mpanao asa soa sy asa fiantr瀟a, �). Ary farany, io fijery misokatra amin地y hoavy io dia mamihina ihany koa ny fifandraisana sy ny fandraisana finiavana iombonana amin段reo kristianina hafa Fiangonana, izay miombona amintsika noho ny Batemy tokana.

29. Ny fijery faharoa dia mandinika ny fomba izoran地y Vahoakan但ndriamanitra miaraka amin地y taranak弛lombelona manontolo. Ity dingana ity dia hijanona maharitra amin地y endri-pifandraisana, amin地y fifanakalozan-kevitra sy amin段reo mety ho fandraisana finiavana iombonana miaraka amin段reo mpanaraka fivavahana hafa, amin段reo olona lavitry ny finoana, torak段zany koa amin段reo sehatra sy sokajy s�sialy manokana, amin地y rafitra misy azy ireo (tontolo p�litika, kolontsaina, fihariana, ara-bola, sehatr誕sa, sendik� sy fikambanan弛rinasa, fikambanana tsy miankina amin地y fanjak瀟a sy fiaraha-monim-pirenena, firohotam-bahoaka, antokon弛lona vitsy an段sa isan-karazany, ireo mahantra sy natao anjorombala, sns.).

Hevi-dehibe folo hohalalinina

30. Mba hampisongadinana ireo traikefa sy hitondrana anjara biriky misimisy kokoa amin地y fakan-kevitra, dia atolotra manaraka eto ireo hevi-dehibe folo maneho ireo endrika samihafa ananan地y ォ fiarahan-dia iainana サ. Ampifanarahina amin地y toe-javamisy any an-toerana izy ireny, ampidirina arakaraka ny irosoan地y fotoana, hazavaina, tsotsorina, halalinina, ka tsinjovina manokana ireo manana fahasahiranana amin地y fandraisana anjara sy ny famaliana izany : ny Vademecum na soridalana izay ampiarahana amin段ty Tahirin-kevitra fiomanana ity dia mirakitra ireo fitaovana, ny zotra arahina sy soso-kevitra mba hanoloran段reo hevi-dehibe ireo antsika aingam-panahy hivavaka sy hiofana, ary handinika sy hanao fifanakalozan-kevitra.

I. IREO NAMANA ENY AM-PANDEHANANA

Na ao amin地y Eglizy na ao amin地y fiaraha-monina dia mizotra mifanila amin地y lalana iray isika. Ao amin地y di�sezinareo, iza avy ireo miara-dia? Rehefa miteny isika hoe Eglizintsika, dia iza avy no ao anatin段zany? Iza no mangataka antsika hiara-dia? Iza avy ireo namana eny am-pandehanana, voaray ao ve na dia ireo ivelan地y sehatry ny Eglizy aza? Olona manao ahoana na sokajin弛lona toy inona no tavela eny anjorom-bala, niniana nahilika na noho ny zava-misy?

II. FIHAINOANA NY HAFA

Dingana voalohany ny fihainoana, saingy mitaky saina sy fo misokatra, tsy misy fitsar瀟a an-tendrony na fitsar瀟a be fahatany. Manan-trosa amin段za ny di�sezintsika raha fihainoana no resahina? Ahoana ny fomba ihainoana ny lahika, indrindra ny tanora sy ny vehivavy? Amin地y fomba ahoana no handraisantsika ny anjara birikin地y olom-boatokana lahy sy vavy? Inona no anjara toeran地y feon地y vitsy an段sa, ireo voahilika sy atao anjorombala? Haintsika ve ny mamantatra ireo fitsarana an-tendrony sy ireo fihetsika misakana ny fihainoantsika ny hafa? Ahoana no ihainoantsika ny toe-java-misy ara-piaraha-monina sy ara-kolontsaina iainantsika?

III. FANOMEZANA ANJARA FITENENANA

Asaina hiteny an-kasahiana sy an-kalalahana ny rehetra, izany hoe omena sehatra ny fahafahana sy ny fahamarinana ary ny fitiavana. Ahoana no ampiroboroboantsika fomba fampitan-kevitra iray malalaka sy tena marina, tsy misy firoaroahan-kevitra sy fanararaotana tranga eo anivon地y ankohonam-piainantsika sy ireo sampan-draharahany? Ary eo anatrehan地y fiaraha-monina misy antsika? Rahoviana ary ahoana no ahafahantsika milaza izay tena ao am-pontsika (tiantsika)? Manahoana ny fizotran地y fifandraisana amin地y tontolon地y serasera (tsy ny serasera kat�lika ihany akory)? Iza no miteny amin地y anaran地y ankohonam-piainana kristianina ary ahoana no ifidianana azy?

IV. FANKALAZANA LITORJIA

Raha atao miorim-paka ao amin地y fiarahana mihaino ny Tenin但ndriamanitra sy ny fankalaz瀟a ny Eokaristia ihany ny fiarahan-dia vao ho azo tanterahina sy tanteraka. Amin地y fomba ahoana no hanetsehan地y vavaka sy ny fankalaz瀟a litorjika ny fiarahantsika mizotra sy itarihany izany? Ahoana no anomezany tolotsaina an段reo fanapahan-kevitra manan-danja? Ahoana no ampiroboroboantsika ny fandraisana anjara mavitriky ny Mpino rehetra amin地y litorjia sy ny fanatanterahana ny adidy fanamasinana ny vahoakan但ndriamanitra? Inona no anjara toerana omena ny fanatanterahana ny asa fandraharah瀟地y famakiana teny (lectorat) sy ny fanotronana (acolytat)?

V. FIARAHANA MIJORO HO TOMPON但NDRAIKITRA AMIN誰Y ASA FANIRAHANA

Ampiasaina hanatanterahana ny asa anirahana ny Eglizy ny fiarahan-dia, antsoina handray anjara amin段o asa fanirahana io ny rantsam-batany rehetra. Noho isika rehetra mpianatra misi�nera, dia amin地y fomba ahoana no iantsoana ny vita batemy tsirairay ho mpiantsehatra amin地y asa anirahana ny Eglizy? Ahoana no anohanan地y ankohonam-piainana ireo mpikambana ao aminy mirotsaka amin地y fanompoana eo anivom-piaraha-monina (s�sialy, p�litika, fikarohana ara-tsiansa sy amin地y fampianarana, amin地y fampiroboroboana ny rariny ara-ts�sialy, fiantohana ny zon弛lombelona sy amin地y fikolokoloana ny Tranobe iombonana, sns.)? Ahoana no hanampiany azy ireo hiaina an段reny fandraisany andraikitra ireny araka ny foto-kevitra ijoroan地y asa fanirahana? Ahoana no anaovana fandinihana mikasika ny safidy mifandraika amin地y asa fanirahana ary iza avy no mandray anjara amin段zany? Ahoana no nampidirana sy nampifanarahana tamin地y zavamisy ny fomba amam-panao samihafa (traditions) mikasika ny fomba fanao ampiharana ny fiarahan-dia, dia ireo fomba amam-panao mandrafitra ny harena lovain-jafin地y Eglizy maro, indrindra ny Eglizy Tatsinanana, mba hampisiana fijoroana ho vavolombelona kristianina mahomby? Manahoana ny fizotry ny fiaraha-miasa any amin段reo faritra misy Eglizy mahaleo tena nefa miombona amin地y Eglizy kat�lika maneran-tany (sui iuris)?

VI. FIFANAKALOZAN-KEVITRA AO AMIN誰Y EGLIZY SY NY FIARAHA-MONINA

Lalana mitaky faharetana goavana ary mirakitra fahanginana sy fijaliana ny fifanakalozan-kevitra, saingy afaka manangona traikefan弛lona sy vahoaka maro. Inona avy ireo toerana sy fomba ifanakalozana hevitra eo anivon地y Eglizy misy antsika? Ahoana no iatrehana ny fahasamihafam-pijery, ny fifanoherana sy ny fahasarotana? Ahoana no ampiroboroboantsika ny fiaraha-miasa amin地y di�sezy mifanolo-bodirindrina, miaraka amin地y ankohonampiainan-dreljiozy misy eo amin地y faritra, miaraka amin地y fikambanana sy firohotana lahika, sns.? Karazana traikefam-pifanakalozan-kevitra sy traikefam-pandraisana andraikitra iombonana toy inona no raisintsika an-tanana miaraka amin地y mpanaraka fombam-pivavahana hafa sy amin地y tsy mpino? Ahoana ny fomba ifanakalozan地y Eglizy hevitra amin地y sampan-draharaha hafa eo anivom-piaraha-monina sy andraisany lesona avy amin段zy ireny: tontolon地y p�litika sy ny seha-pihariana, ny kolontsaina, ny fiaraha-monim-pirenena, ny mahantra, �?

VII. FIARAHANA AMIN誰Y FIANGONANA KRISTIANINA HAFA

Manana anjara toerana manokana ao amin地y dia iaraha-manatontosa ny fifanakalozan-kevitra eo amin地y kristianina samy hafa Fiangonana, kanefa atambatry ny Batemy iray. Karazam-pifandraisana toy inona no misy amintsika sy amin段reo rahalahy sy anabavy amin地y Fiangonana kristianina hafa? Sehatry ny inona no voakasik段zany? Inona no vokatra azontsika nosintonina tamin段o ォ fiarahan-dia サ io? Inona ny fahasarotana hita?

VIII. FAHEFANA SY FANDRAISANA ANJARA

Ny ォ Eglizy miara-dia サ dia Eglizy mampandray anjara ny olona sy miara-tompon誕ndraikitra. Ahoana no amaritana ny tanjona hotratrarina, ny lalana hahatratrarana izany ary ny dingana hotanterahina? Ahoana no ampiharana ny fahefana ao anatin地y Eglizy misy antsika? Inona avy ny zavatra fanao amin地y asana ekipa sy amin地y fiaraha-miantsoroka andraikitra? Manahoana ny fampiroboroboana ny asa fandraharah瀟a sahanin地y lahika sy ny fiantsorohana andraikitra raisin地y Mpino an-t瀟ana? Ahoana ny fiasan段reo sampan-draharaha misahana ny fiarahan-dia eo amin地y sehatry ny Eglizy tsirairay any an-toerana na di�sezy? Traikefa mitondra vokatra ve izy ireny?

IX. FIARAHA-MANDINIKA SY FANAPAHAN-KEVITRA

Ao amin地y fanaovana dingam-pandinihana amam-pamantarana no anapahana hevitra ao amin地y fomba iarahan-dia, ka ny hevitra iraisana mipoitra avy ao amin地y fiaraha-manaiky ny Fanahy Masina no fototra iaing瀟a. Inona avy no atao ary inona ny fomba fiasa hanaovantsika dingam-pamantarana miaraka sy handraisantsika fanapahan-kevitra? Ahoana no ahafahana manatsara an段zany? Ahoana no hanomezantsika vahana ny fandraisana anjara amin地y fanapahan-kevitra eo anivon地y ankohonam-piainana misy ambaratongan-drafitra? Ahoana no andrindrantsika ny dingan地y fakan-kevitra amin地y dingan地y fanapahan-kevitra, ny dingan地y famolavol瀟a fanapahan-kevitra miaraka amin地y dingan地y fandraisana fanapahan-kevitra? Amin地y fomba ahoana ary fitaovana toy inona no ampiroboroboantsika ny mangarahara sy ny fiaraha-miantsoroka andraikitra?

X. FIOFANANA HO AMIN誰Y FIARAHAN-DIA

Ny fiainam-panahin地y ォ fiarahan-dia サ dia ezahina ho tonga fitsipika fototra enti-manabe ho an地y fiofanan地y olona sy ny kristianina, ny fianakaviana sy ny ankohonam-piainana. Ahoana no hanofanantsika ny olona, indrindra ireo mitana andraikitra eo anivon地y ankohonam-piainana kristianina, mba hahaizan段zy ireny ォ miara-mizotra サ bebe kokoa, hahaizany mifampihaino sy mifanakalo hevitra? Fiofanana toy inona no omentsika hahatongavana amin地y fahaizana mamantatra ny mety sy mampihatra ny fahefana? Fitaovana toy inona no manampy antsika handinika sy hamantatra ireo hery anaty ananan地y kolontsaina nipoirantsika sy ny fiantraikany amin地y fomba maha-Eglizy antsika?

Mba hitondrana ny anjara biriky amin地y fakan-kevitra

31. Tanjon地y dingana voalohany amin地y dia iaraha-manatontosa ny hampisy dingam-pakan-kevitra mivelatra bebe kokoa, mba hanangonana ny harena ao amin段reo traikefa-na fiarahan-dia efa niainana, ao amin地y fisehony sy endriny samihafa, ka hampandraisana anjara ny Mpiandry sy ny Mpino any amin地y Eglizy isan-toerana avy amin地y sehatra rehetra, amin地y alalan地y fitaovana sahaza kokoa, arakaraka ny zava-misy mampiavaka ny toerana tsirairay : ny fakan-kevitra izay arindran地y Eveka, dia mitodika amin地y ォ Pretra, Diakra sy ny Mpino lahika ao amin地y Egliziny avy, na misingana izany na miaraka, ka tsy azo odian-tsy hita ny anjara biriky sarobidy mety ho azo avy amin段reo olom-boatokana lahy sy vavy サ (EC, lah.7). Angatahina amin地y fomba manokana ny anjara birikin段reo sampan-draharaha mpandray anjara ao amin段reo Eglizy eo an-toerana, indrindra ny Filan-kevitry ny Pretra sy ny Filan-kevitra Past�raly, fa miainga avy amin段reo no ォ ahafahana manomboka manome endrika ny Eglizy miara-dia サ[22].

Sarobidy torak段zany koa ny anjara biriky entin段reo sehatra hafa ao amin地y Eglizy izay handefasana ity Tahirin-kevitra fanomanana ity, tahaka ny fandraisana anjaran段zay te handefa mivantana ny azy. Farany, zavadehibe loatra ny ahitan地y feon地y mahantra sy ny voahilika sehatra, fa tsy ny feon段reo manana adidy sy andraikitra ao anatin地y di�sezy ihany.

32. Ny famintinana hataon地y Eglizy tsirairay any an-toerana amin地y faran段ty asa fihainoana sy fiezahana mamantatra ity dia ho fandraisany anjara amin地y dingana ataon地y Eglizy manerantany. Mba hahamora sy hampaharitra ireo dingana manaraka amin地y 租ia�, dia zavadehibe ny fahaizana mamintina amin地y fomba mafonja ao anatin地y pejy folo raha be indrindra ny vokatry ny fivavahana sy ny fandinihana. Raha ilaina ny hampifandraisana izany amin地y zavamisy eo an-toerana sy hanazavana azy ireny bebe kokoa, dia tsara raha asiana lahatsoratra hafa mipaingotra aminy ho fanohanana izany. Ampahatsiahivina fa tsy ny hamokatra tahirin-kevitra no tanjon地y sinaody, izany hoe tanjon段ty fakan-kevitra ity, fa ォ hitarihana ny sain地y olona hampijoro ny Eglizy araka ny tokony ho izy, ho mpaminany sy hanana fomba fijery lavitra, hampitsiry fanantenana, hampiroboroboana fahatokisana, hanasitranana ratram-po, hampisiana fifandraisana, hampivelarana ny fanantenana, ary hamoronana fomba fiheverana miabo hanazava ny saina, hamerenana indray ny hafanam-po, hanomezana herin-tsandry サ[23].

 

Fanafohezanteny

CTI : ���� Commission Th駮logique Internationale [Vaomiera Iraisam-pirenena momba ny Te�l�jia.

EC : ����� Papa Franso�, Cost. Ap. Episcopalis communio [Foto-pampianarana Ap�st�lika Fiombonan地y Eveka] (15 settembre 2018).

EG : ����� Papa Franso�, Fanentanana Ap�st�lika Ny hafaliana entin地y Evanjely (24 novambra 2013).

EK : ����� Konsily Vatikana II, Sorid瀝ana momba ny Ekiomenisma (21 novambra 1964).

FA : ����� K�nsily Vatikana II, Foto-pampianarana momba ny Fanambaran但ndriamanitra, (18 novambra 1965).

FAA : �� K�nsily Vatikana II, Foto-pampianarana ara-pitondr瀟a momba ny Fiangonana manoloana ny Andro Ankehitriny (7 desambra 1965).

FF : ������ K�nsily Vatikana II, Foto-pampianarana Fiangonana Fahazavan段zao tontolo izao (21 novambra 1964).

FT : ����� Papa Franso�, Taratasy ansiklika Mpirahalahy avokoa (3 �kt�bra 2020).

LS : ������ Papa Franso�, Taratasy ansiklika Hoderaina anie Ianao (24 mey 2015).

 



[1] �� Ampiarahina amin段ty Tahirin-kevitra ity ny kisarin地y dingan地y dia iaraha-manatontosa � lalana iaraha-mizotra (chemin synodal).

[2] �� Papa Franso�, Discorso per la Commemorazione del 50ー anniversario dell段stituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin地y Eveka] (17 �kt�bra 2015).

[3] �� Jer. www.synod.va.

[4] �� Papa Franso�, Lettera al Popolo di Dio [Taratasy ho an地y Vahoakan但ndriamanitra] (20 aogositra 2018), proemio [Teny mialoha]

[5] �� Papa Franso�, Lettera al Popolo di Dio [Taratasy ho an地y Vahoakan但ndriamanitra] (20 aogositra 2018), lah. 2.

[6] �� Ibidem.

[7] �� Ibidem.

[8] �� Papa Franso�, Discorso per la Commemorazione del 50ー anniversario dell段stituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin地y Eveka].

[9] �� CTI, La sinodalit� nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin地y fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy] (2 marsa 2018), lah. 3.

[10] � Ibidem.

[11] � Ibid, lah. 6.

[12] � Md Cyprien, De Oratione Dominica, 23: PL 4, 553.

[13] � Md Augustin, Epistola 194, 31: PL 33, 885.

[14] � Md Jean Chrysostome, Explicatio in Psalmum 149: PG 55, 493.

[15] � CTI, La sinodalit� nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin地y fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 6.

[16] � Papa Franso�, Discorso per la Commemorazione del 50ー anniversario dell段stituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin地y Eveka].

[17] � CTI, La sinodalit� nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin地y fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 69.

[18] � Regula S. Benedicti [Fitsipik段 Md Beno�t] , III, 3.

[19] � Papa Franso�, Discorso per la Commemorazione del 50ー anniversario dell段stituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin地y Eveka].

[20] CTI, La sinodalit� nella vita e nella missione della Chiesa [Ny fiarahan-dia ao amin地y fiainana sy ny asa anirahana ny Eglizy], lah. 70.

[21] Ibidem.

[22] � Papa Franso�, Discorso per la Commemorazione del 50ー anniversario dell段stituzione del Sinodo dei Vescovi [Lahateny ho fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50 nananganana ny Sinaodin地y Eveka].

[23] � Papa Franso�, Discorso all段nizio del Sinodo dedicato ai giovani [Lahateny fanokafana ny Sinaoda natokana ho an地y tanora] (3 �kt�bra 2018).